Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga, noho ny soalat ataony ao an-tranony sy any an-tsenany. Satria raha misy ny iray amin'izy ireo nanao ozò ka nataony tsara ny ozò-ny, avy eo dia tonga tao amin'ny moske, tsy nisy nanetsika azy afa-tsy ny soalat ihany, ary ny hivavaka ihany no nilainy, ka isaky ny mamindra izy dia ho ampiakarin'i Allah arak'izany ny voninahiny, ary ho fafany arak'izany ny fahotany mandram-pidirany any amin'ny moske. Rehefa miditra ny moske izy dia efa tafiditra ao anaty soalat raha toa ka ny soalat no mitazona azy ao aminy (Moske), ary ny Anjely mivavaka ho an’ny anankiray aminareo raha mbola eo amin’ny toerana nivavahany izy, ka hiteny manao hoe : Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mamelà azy, Allah ô, raiso ny fibebahany, raha mbola tsy nanao ratsy izy, na koa namoaka loto kely (mbola tsy simba ny ozò-ny)".
Explanation
Benefits
Ny soalat miaraka eny amin'ny moske dia tsara noho ny soalat ataon'ny olona irery amin'ny ambaratonga dimy, na enina, na fito amby roapolo.
Anisany asan’ireo Anjely ny mivavaka ho an’ireo mpino.
Fahasoavana azo amin'ny fandehanana eny amin'ny moske rehefa nahavita ny ozò.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

