Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Al-Moghìra (R.A), niteny izy : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny am-pandehanana, ka niondrika aho mba hanala ny kirarony, dia hoy izy hoe : “Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana” ka nisafoiny fotsiny.
Explanation
Benefits
Ny fisafona dia atao indray mandeha amin'ny alàlan'ny fandefasana ny tànana mando eo an-tampon'ny ba kiraro fa tsy ny any ambany.
Takina amin'ny fisafona ny ba kiraro ny hanaovana azy aorian'ny fanaovana ozò feno tanteraka izay nanasany ny tongony tamin'ny rano, ary ny ba kiraro dia tokony ho madio, mandrakotra ny faritra tsy maintsy sasana amin'ny tongotra, ary ny fisafona azy dia amin'ny fahalotoana madinika fa tsy amin'ny fahalotoana lehibe izay tsy maintsy ilaina fandrona, ary tsy maintsy ao anatin'ny fotoana voatondron'ny lalàna, dia iray andro sy iray alina, ho an'ny olona eo an-toerana ary telo andro sy telo alina ho an'izay mandeha lavitra.
Ny zavatra rehetra mandrakotra ny tongotra, toy ny kiraro sy ny zavatra hafa, dia refesina ho tahaka ny kiraro avokoa, ary azo atao ny misafo azy ireo.
Nanana toetra sy fampianarana tsara ny Mpaminany (S.A.W) noho izy nanakana an'i Al-Moghirah tsy hanala ny kirarony, ary nazavainy taminy ny antony : Nanaovany madio izy ireny; Mba hampitony ny tenany, sy hahafantarany lalàna momba azy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

