“Ireto vavaka roa ireto dia mavesatra indrindra ho an’ny mpihatsaravelatsihy, ary raha fantatrareo ny ao anatiny dia ho nanao izany ianareo na dia nandady
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Obai bin Ka'abi (R.A) niteny izy : Nitarika anay tamin’ny vavaka swalat ny irak’Allah (S.A.W) indray maraina ka niteny manao hoe : “Niatrika ve i ranona?” Hoy izy ireo : Tsia. Dia hoy izy : “Niatriaka ve i ranona?” Hoy izy ireo : Tsia. Dia hoy izy (S.A.W) : “Ireto vavaka roa ireto dia mavesatra indrindra ho an’ny mpihatsaravelatsihy, ary raha fantatrareo ny ao anatiny dia ho nanao izany ianareo na dia nandady, Ny laharana voalohany dia toy ny laharan'ny anjely, ary raha fantatrareo ny hasarobidin'izany, dia ho nirohotra ho amin'izany ianareo, ary ny vavaky ny olona miaraka amin'ny olon-kafa dia tsara noho ny fivavahany irery, ary ny fivavahany miaraka amin'ny olona roa dia tsara noho ny azy miara-mivavaka amin’ny olon-kafa, ary isaky ny maro dia tian’I Allah kokoa.”
Explanation
Raha mba fantatrareo ry mpino ny valisoa sy ny tombotsoa fanampiny amin’ny vavaka fajr sy isha – satria mifandanja amin’ny fahasahiranana ny valisoa – dia ho niezaka nanao izany ianareo na dia nandady na nandeha tamin’ny tanana sy ny lohalika aza.
Ny laharana voalohany amin'ny maha-akaiky azy amin'ny Imam dia toy ny laharan'ny anjely eo amin'ny fanakakaizany amin'I Allah Ilay Tsitoha, ary raha fantatry ny mpino ny maha zava-dehibe ny laharana voalohany dia nifaninana ho amin'izany izy ireo. Ny vavaka ataon'ny lehilahy iray miaraka amin’ny olon-kafa dia lehibe kokoa ny valisoa sy ny vokany noho ny fivavahany irery, ary ny fivavahany miaraka amin’ny olona roa dia tsara kokoa noho ny miaraka amin’ny olona iray. Ny vavaka izay misy mpivavaka maro dia tian’I Allah kokoa no sady tena tsara.
Benefits
Mariky ny finoana ny fifikirana amin'ny vavaka miaraka amin'ny maro, indrindra ny fajr sy ny isha.
Lehibe ny valisoa azo amin'ny vavaka isha sy fajri. Noho ny ezaka atao amin'ny fiatrehana azy sy ny fiaretana amin'ny fankatoavana, noho izany dia lehibe kokoa noho ny amin'ny hafa ny valisoa azo aminy.
Ny vavaka miaraka amin'ny maro dia tanteraka amin'ny alalan'ny olona roa mihoatra.
Fanazavana ny hatsaran'ny laharana voalohany sy famporisihana amin'ny fanoloran-tena hiatrika azy.
Ny hatsaran'ny fahamaroan'ny mpivavaka, satria arakaraky ny mahamaro ny olona no maha betsaka ny valisoa.
Tsy mira lenta ny lanjan'ny asa soa arakaraky ny nametrahan'ny lalàna azy sy ny toe-javatra misy aminy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

