“Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Tamim Ad-Dari (R.A), niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity, miaraka amin'ny voninahitry mihaja na fahafaham-barakan'ny marefo, voninahitra hanandratan'I Allah ny finoana silamo, ary fanalam-baraka izay nampietry ireo tsy mpino.” Ary niteny i Tamim ad-Dari hoe : “Fantatro izany tao amin’ny fianakaviako, nomem-boninahitra izay nino, fa tratran'ny fahambaniana sy fandoavan-ketra kosa ireo tsy nino.
Explanation
Avy eo dia nilaza ilay mpiara-dia aminy dia i Tamim ad-Dari fa hitany ny zavatra nolazain'ny Irak'I Allah tamin'ny fianakaviany manokana, ka izay nanaraka ny finoana silamo tamin'izy ireo dia nahazo soa, voninahitra sy haja, ary izay tsy nino teo amin’izy ireo kosa dia nahazo fahafaham-baraka sy fahambanina, izany dia noho ny fandoavany hetra amin'ny mpino silamo.
Benefits
Ny voninahitra dia ho an'ny finoana silamo sy ny mpino silamo, ary ny fahafaham-baraka dia ho an'ny tsy finoana sy ny tsy mpino.
Ao amin'io hadith io dia ahitana porofon’ny faminaniana sy fambara iray amin'ireo fambara maro, satria tanteraka izany tahaka ny nanambaran’ny Mpaminany (S.A.W) azy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

