Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Thouban (R.A) niteny manao hoe : I Mpaminany (S.A.W) rehefa miala amin'ny Swalat izay nataony dia mangataka famelan-keloka in-telo, ary miteny hoe : " Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo". Niteny i Al-walìd : noteneniko tamin'ny Aozàì' hoe : Ahoana ny fomba fangatahana ny famelan-keloka? Namaly izy hoe : Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha.
Explanation
Avy eo manome voninahitra ny tompony ka miteny hoe : "Allàhoumma Antas-salàm wa minkas-salàm Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo". Allah tia filaminana sy lavorary amin’ny toetrany, manalavitra kilema sy ny tsy fahampiana rehetra, ary avy Aminy, mangataka fiarovana aminy amin’ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny any ankoatra fa tsy amin’ny zavatra hafa. Izy no nampitombo ny fahatsarany teo amin’ny tontolo roa, Ilay manana ny fahalehibiazana sy ny fiantrana.
Benefits
Tsara mangataka ny famelan-keloka nohon'ny famenoana ny tsy ampy tamin'ny fanompoana sy ny famolana tena amin'ny fankatoavana sy ny hakamoana amin'izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

