“Ny devoly dia kivy ny hivavahan’ireo mpivavaka ao amin’ny faritra Arabo misy azy, nefa mbola manenjika azy ireo ihany izy.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : “Ny devoly dia kivy ny hivavahan’ireo mpivavaka ao amin’ny faritra Arabo misy azy, nefa mbola manenjika azy ireo ihany izy.”
Explanation
Benefits
Satana dia mikatsaka ny hamorona fifandirana, fifankahalana, ady ary korontana eo amin'ny samy mpino silamo.
Iray amin'ireo tombony azo avy amin'ny vavaka amin'ny finoana silamo ny fitazonana ny fifankatiavana eo amin'ny samy mpino silamo ary manamafy ny fatoran'ny firahalahiana eo amin'izy ireo.
Ny vavaka no fombam-pivavahana lehibe indrindra aorian'ny fijorona vavolombelona anankiroa, ary izany no mahatonga ny mpino silamo antsoina hoe olona mpivavaka.
Ny faritra misy ny Arabo dia manana toetra tsy mitovy amin'ny firenena hafa.
Raha lazaina fa nisy fanompoan-tsampy nitrangana tany amin’ny faritra sasany amin’ny nosy Arabo, dia hoy ny Mpaminany : (Kivy i Satana ny tsy ho tompoin’ny mpivavaka azy...), dia izao no vaovao momba ny fahakivina nitranga tao amin’ny fanahin’i Satana rehefa nahita ny fandresena sy ny fidiran’ny olona maro tao amin’ny fivavahan’I Allah ny hadith, dia nilaza momba ny eritreriny sy ny fanantenan’i Satana, fa ny zava-misy dia noho ny fahendrena izay irin’Allah ilay Tsitoha.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

