HadeethEnc · 1.21.0
fa ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny Koroany
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Saad Ibn Hisham Ibn Aamir - rehefa niditra tao amin'i Aicha (R.A) : O! Ry Renin'ny mpino rehetra, ambarao ahy ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), dia namaly izy hoe : Moa ve tsy mpamaky Koroany ianao? Niteny aho hoe : Eny, Dia niteny izy hoe : fa ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny Koroany.
02
Explanation
Nanontaniana renin'ny mpino A'isha (R.A) momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy tamin'ny valinteny feno, ary namaly ilay mpanontany amin'ny Kor'any masina izay mamehy ny fahatsaran-toetra rehetra, niteny izy hoe : Ny toetrany dia ny Koroany masina, izay didy rehetra ao aminy dia notanterainy avokoa, ary izay rehetra noraran'ny Koroany dia nisitahany avokoa, ka ny toetrany dia ny fampiharana izany, ary mijoro amin'ny fetrany, ary mampihatra ny fahalalam-pomba rehetra ao anatiny izy, ary maka lesona ihany koa amin'ireo ohatra sy ny tantara voarakitra ao.
03
Benefits
Mamporisika amin'ny fakàna tahaka ami'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fampiharany ireo toetra rehetra ao amin'ny Boky masina Koroany.
Fidokadokana ireo toetran'ny Mpaminany (S.A.W) ary izany tokoa dia niainga avy amin'ny faminaniana nisy teo aminy.
Ny boky masina Koroany dia loharanon'ny hatsaran-toetra rehetra.
Ny fitondran-tena ao amin'ny finoana Islam dia ahitana ny fivavahana manontolo amin'ny fanarahana ny baiko sy ny fialana amin'ny fandrarana.

Attribution
[Notantarain'ny moslim tao anaty hadith lava]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares