Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Niteny Abo Ya'laa, Shaddaadi ibn Aosy (R.A), fa ilay Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) dia nilaza nanao hoe : Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra; ka raha mamono (biby tsy fihinana sns) Ianareo, dia ataovinareo tsara famono, ary raha manapa-tenda (biby fihinana) ianareo, dia ataovinareo tsara fanapaka; ka aoka ny tsirairay Aminareo mba handranitra tsara ny lelan'antsiny, ary hampiadana ny biby izay tapahiny.
Explanation
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fampiarana didy famonoana : Dia ny fisafidiana fomba mora indrindra, maivana ary haingana indrindra amin'ny fanalana fofon'ain'olona ho vonoina.
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fanapahana kosa : Dia ny fangorahana amin'ilay biby amin'ny alàlan'ny fandrangitana tsara ny fitaovana, ary tsy rangitina eo anoloan'ny biby hovonoina raha mijery izany izy, ary tsy mamono azy raha mbola misy biby fiompy hafa mijery azy.
Benefits
Ny fanaovan-soa amin'ny famonoana sy ny fanapahana dia tokony hatao amin'ny fomba ara-dalàna.
Ny fahafenoan'ny Lalàna Islamika sy ny fandrakofany ny Zavatra tsara rehetra, ao anatin'izany ny famindram-po sy ny fangorahana amin'ny biby.
Voarara ny manao Ohatra ny olona iray aorian'ny famonoana azy.
Fandrarana izay rehetra miendrika fampijaliana ireo Biby.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

