Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Chidàd Ibn Aosy (R.A) Nilaza : Misy zavatra roa voaraiko tamin'ny Irakan'Allah (S.W.A), Hoy izy manao hoe : "Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra ; ka raha mamono biby ianareo, dia aoka mba hanatsara ny famonoana azy, ary raha manapaka biby fiompy ianareo, dia tapao tsara; ka aoka handrangitra tsara ny Lelan'antsiny ny tsirairay aminareo mba , ary hampiadana ny biby tapahiny ."
Explanation
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fampiarana didy famonoana : Dia ny fisafidiana fomba mora indrindra, maivana ary haingana indrindra amin'ny fanalana fofon'ain'olona ho vonoina.
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fanapahana kosa : Dia ny fangorahana amin'ilay biby amin'ny alàlan'ny fandrangitana tsara ny fitaovana, ary tsy rangitina eo anoloan'ny biby hovonoina raha mijery izany izy, ary tsy mamono azy raha mbola misy biby fiompy hafa mijery azy.
Benefits
Ny fanaovan-soa amin'ny famonoana sy ny fanapahana dia tokony hatao amin'ny fomba ara-dalàna.
Ny fahafenoan'ny Lalàna Islamika sy ny fandrakofany ny Zavatra tsara rehetra, ao anatin'izany ny famindram-po sy ny fangorahana amin'ny biby.
Voarara ny manao Ohatra ny olona iray aorian'ny famonoana azy.
Fandrarana izay rehetra miendrika fampijaliana ireo Biby.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

