Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah An-Nomani Ibn Bachir (R.A) niteny ka nanao hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny manao hoe : " Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Explanation
Ka izay miala amin’ireo Zavatra ahiahiana momba azy, dia ho Voaro ny Finoany ka tsy tafalatsaka any amin’ny Zava-boarara, ary ny voninahiny dia ho Voaro amin’ny tenin’ny Olona momba ny fanakianana azy noho ny nanaovany izany zavatra mampiahiahy izany. Ary izay tsy miala amin'ny zavatra mampisalasala dia mandatsaka ny tenany any amin'ny zava-boarara, na amin'ny fanimbana ny voninahiny amin'ny fitenenan'ny olona Azy. Nanome Ohatra ny Irak'Allah mba hanehoana ny toe-javatra iainan'ny Olona miahiahy. Toy ny Mpiandry ondry miandry ny ondriny eo akaikin'ny tany narovan'ny tompony izy, ka saika hihinana amin'ilay toerana voaharo ny ondrin'ny Mpiandry ondry noho ny nanakaikaizany izany. Toy izany koa, izay manao Zavatra mampiahiahy, dia manakaiky ny zava-boarara ka mety ho tafalatsaka ao. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny fa misy nofon-kena ao amin'ny vatana (dia ny Fo) ary ny vatana dia ho tsara noho ny fahatsarany ary simba noho ny fahasimbany.
Benefits
Famporisihana hiala amin’ny zavatra mampiahiahy, izay tsy mazava ny lalàna mahakasika Azy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

