HadeethEnc · 1.21.0
Aza manambana fiadiana amin'ny rahalahiny ny iray aminareo, fa tsy fantany, fandrao ho kapohin'i Satana eo an-tànany izy, ka ho latsaka any amin'ny lavaka feno afo mirehitra
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza manambana fiadiana amin'ny rahalahiny ny iray aminareo, fa tsy fantany, fandrao ho kapohin'i Satana eo an-tànany izy, ka ho latsaka any amin'ny lavaka feno afo mirehitra."
02
Explanation
Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny silamo manondro karazana fitaovam-piadiana amin'ny rahalahiny silamo, satria tsy fantany raha mety hanery azy hamindra ny fitaovam-piadiana eny an-tànany i Satana, hamono ny rahalahiny na hanisy ratsy azy, ka nanao fahotana izay nitarika azy ho latsaka tao amin’ny lavaka mirehitra afo.
03
Benefits
Fanambarana ny fahamasinan'ny rà-n'ny mpino silamo.
Ilaina ny manaja ny silamo ary mitandrema mba tsy hampita ny ratsy aminy amin’ny alàlan’ny fihetsika na ny teny, anisan’izany ny fanondroana vy na fitaovam-piadiana, eny fa na dia amin’ny vazivazy aza. Satria mety hanery ny tànany i Satana ka ho mora aminy ny hamely ny rahalahiny, na mety haka ny fitaovam-piadiana eny an-tànany izy ka lavo tsy fidiny ka hanisy ratsy ny rahalahiny.
Fanakanana ny fiampangana amin'ny fandrarana izay mitondra any amin'ny fady.
Fiantohana amin'ny fiarovana ny fiaraha-monina sy mitahiry ny fifandraisana eo amin'ny samy olona, ary tsy mampitahotra na mandrahona azy ireo, na dia amin'ny fanondroana na fandrahonana aza.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares