“Izay miteny hoe : Izaho manaiky an’Allah ho Tompoko, ny finoana Silamo ho fivavahako, ary i Mohamad ho iraka, dia azo antoka ho azy ny Paradisa”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe : “Izay miteny hoe : Izaho manaiky an’Allah ho Tompoko, ny finoana Silamo ho fivavahako, ary i Mohamad ho iraka, dia azo antoka ho azy ny Paradisa”.
Explanation
Benefits
Ny fahafaham-po amin'I Allah amin'ny maha-Tompo Azy dia tafiditra ao anatin'izany ny tsy mivavaka amin'ny hafa afa-tsy Aminy, Voninahitra ho Azy.
Ny fahafaham-po amin'i Mohammad (SAW) amin'ny maha-mpaminany sy iraka azy, dia ahitana ny fankatoavana azy ary ny fanekena ny Sonnah-ny.
Ny fahafaham-po amin'ny finoana Silamo dia fahafaham-po amin'izay nofidin'I Allah ho an'ny mpanompony.
Amporisihina ny manao izany fitalahoana izany rehefa manao ireo Shahada roa amin'ny fihainoana ny antso ho amin'ny vavaka, toy ny amin'ny fitantarana hafa.
Ao amin'ny hadith iray hafa dia voalaza fa ilaina ny manao izany vavaka izany isaky ny maraina sy ny hariva.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

