“Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”
Explanation
Benefits
Ny fahasoavan'ny fivoriana izay misy ny fahatsiarovana an'I Allah Tsitoha sy ny fahatsiarovana ny irak'Allah (S.A.W), ary ny fivoriana izay tsy ao anatin'izany dia famoriana fambara ratsy ho an'ny olony amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.
Ny fampitandremana voalaza momba ny tsy firaharahiana ny fahatsiarovana an'I Allah dia tsy voafetra amin'ny fiaraha-mivory ihany, fa mihatra amin'ny hafa, hoy i Al-Nawawi manao hoe : Tsy tsara ny olona mipetraka amin'ny toerana iray ary miala amin'izany mialohan'ny fiderana an'I Allah.
Ny alahelo izay hanjo azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty : na amin’ny tsy fahampian’ny valisoa amin’ny tsy fanararaotana ny fotoana hankato an’I Allah, na amin’ny fahotana sy ny sazy noho ny fandanian’izy ireo ny fotoana amin’ny tsy fankatoavana an’I Allah.
Ity fampitandremana ity : Raha mikasika ny zavatra azo atao izany tsy fitandremana izany, dia ahoana ny amin'ny fivoriana voarara izay misy fanalam-baraka, fifosana, sns...?!
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

