Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Ny vavaka ataoko no mitovy kokoa amin'ny vavakin'ny irak'Allah raha oharana amin'ny anareo, ary toy izany no vavaka nataony mandra-pialany teto an-tany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abou horaira (R.A) niteny hoe : Izy dia nanao “Allaho Akbar” amin'ny vavaka tsy maintsy atao rehetra sy amin'ny hafa, amin’ny Ramadany sy amin'ny fotoana hafa, dia miteny “Allahou Akbar” izy rehefa mitsangana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa miankohoka, avy eo miteny. : "Samiallaho liman hamidah, dia hoy izy : "Rabbanà Walakal-Hamdo", alohan'ny hiankohofany, avy eo izy miteny hoe: "Allahou Akbar" rehefa midina amin'ny fiankohofana ary reheha manainga ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” izy rehefa miankohoka, avy eo miteny hoe “Allahou Akbar” rehefa manandratra ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa mitsangana avy amin'ny fipetrahana teo amin'ny fiankohofarana roa, ary izany hatrany no ataony isaky ny rakaat mandra-pahavitany ny vavaka, avy eo dia miteny izy rehefa hiala manao hoe: Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Ny vavaka ataoko no mitovy kokoa amin'ny vavakin'ny irak'Allah raha oharana amin'ny anareo, ary toy izany no vavaka nataony mandra-pialany teto an-tany.
Explanation
Dia hoy i Abou Horaïra rehefa vita ny soalat nataony : Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, ny soalat nataoko no mitovy indrindra amin'ny soalat izay nataon'ny irak'Allah, raha izany no fomba fivavahana nataony mandra-pialany teto an-tany.
Benefits
Fikirizan'ireo mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fanarahana an'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fitaihirizana ny fomba amam-panaony.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

