Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : Niditra tao amin'ny moske ny irak'Allah, ary nisy lehilahy iray niditra sy nivavaka ary niarahaba an'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy ary niteny manao hoe : «Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”, Dia niverina nivavaka tahaky ny nataony teo aloha ary nanatona an'ny Mpaminany (S.A.W) sady niarahaba azy. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Miverena mivavaka ianao fa tsy mbola nivavaka mihitsy", naveriny in-telo. Dia hoy izy : Mianiana amin’Ilay naniraka anao amin’ny fahamarinana aho ry Irak'Allah, fa tsy mahay tsara noho iny aho, koa ampianaro", dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Rehefa mitsangana hivavaka ianao dia mitenena Allah Akbar, avy eo mamakia izay vitanao amin'ny andininy masina Coran, avy eo mihondreha tsara ianao mandra-pahatonianao eo am-pihondrehana, dia mitsangana ianao mandra-pijoroanao mahitsy tsara, ary miankohofa mandra-pahatonianao eo am-piankohofana, dia miharena ianao mandra-pahitanao fa tafapetraka tsara ianao, Ary ataovy izany amin’ny vavaka rehetra ataonareo.”
Explanation
Benefits
Anisan’ny andrin’ny vavaka ny fitoniana.
Hoy i Al-Nawawi : Midika izany fa izay manao tsirambina ny sasany amin'ireo adidy amin'ny fivavahana dia tsy manan-kery ny fivavahany.
Hoy i Al-Nawawi : Tafiditra ao anatin'izany ny fahatsoran'ny amin'ny mpianatra sy ny tsy mahalala, ny fahalalam-pomba aminy, ary manazava ny olana aminy amin'ny famintinana ny tanjona, ary ny famerana ny zony amin'izay zava-dehibe tsy misy fanampin-javatra izay tsy zakan'ny toe-pahasalamany ny mitadidy sy manao izany.
Hoy i Al-Nawawi : Maneho izany fa raha anontaniana ny mufti ny amin’ny zavatra iray ka misy zavatra hafa ilain’ilay mpanontany ka tsy nanontany azy momba izany izy, dia tsara ho azy ny milaza izany aminy, ary izany dia avy amin’ny torohevitra fa tsy tafiditra amin'ny firesahana zavatra tsy mahakasika azy.
Ny hatsaran’ny fiaikena ny kileman-toetra, araka ny nambarany : “Tsy mahay tsara mihoatry ny nataoko aho, koa ampianaro”.
Hoy I Ibn Hajar : Tafiditra ao anatin'izany ny famporisihana amin'ny tsara sy ny fandrarana ny tsy mety, ary tokony mangataka amin'ny manam-pahaizana ny mpianatra mba hampianatra azy.
Tsaratsara ny fiarahabana rehefa mifanena, ary ny ilàna ny famerenana azy, ary ny famerimberenana izany raha miverimberina ny fihaonana, na dia akaiky aza ny fotoana, ary tsy maintsy averina isaky ny mandeha.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

