Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy aminy afa-tsy ny fahamarinana ihany”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bn Àmro (R.A) niteny hoe : Nosoratako avokoa izay rehetra henoko tamin'ny irak'Allah, izay tiako hotadidina, fa noraran'ny koraisita aho, ary hoy izy ireo : Moave soratanao daholo izay renao avy amin'ny irak'Allah (S.A.W)?, Nefa ny Mpaminany (S.A.W) anie olombelona miteny am-pahatezerana sy am-pahatsorana? dia najanoko ny fanoratana ary nolazaiko tamin’ny irak’Allah izany, ka nanondro ny vavany tamin’ny rantsantanany izy (Mpaminany) ary niteny hoe : “Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy aminy afa-tsy ny fahamarinana ihany”.
Explanation
Dia nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny teny nolazain'izy ireo, ka nanondro ny vavany tamin'ny rantsantanany izy ary niteny hoe : Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy ao aminy (vavany) afa-tsy ny fahamarinana amin'ny toe-javatra rehetra, na amin'ny hafaliana na amin'ny hatezerana.
Hoy Allah Tsitoha momba ny Mpaminaniny (S.A.W) manao hoe : (Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy, fa izany dia faminaniana tonga taminy) [AN-NAJM : 3- 4].
Benefits
Fahazotoan'ireo mpanaradian'ny Mpaminany amin'ny fiarovana ny Sonnat sy ny fampitana azy.
Azo atao ny mifanta, na dia tsy nampifantaina noho ny tombotsoa manokana aza, toy ny fanamafisana zavatra.
Ny fandraisana an-tsoratra ny fahalalana dia iray amin'ireo antony lehibe indrindra amin'ny fitahirizana fahalalana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

