Mandehana any ary lazao aminy hoe : Tsy isan'ny mponin’ny Afobe ianao, fa ho ao anisan’ny olon’ny Paradisa
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny hoe : Nitady an’i Thàbit ibn Qais ny Mpaminany (S.A.W), ka hoy ny lehilahy iray hoe : “Ry irak’Allah ô, mampahafantatra anao ny momba azy aho.” Dia tonga teo amin'i Thàbit izy ka nahita azy nipetraka tao an-tranony mitolefika ny lohany, ka hoy ny Mpaminany hoe : Inona no manjo anao? Dia niteny izy hoe : ratsy, nampiakatra ny feony ho ambony noho ny feon'ny Mpaminany (S.A.W) izy, koa zava-poana ny asany, ary anisan’ny mponin’ny Afobe izy, ka tonga ilay lehilahy nilaza taminy fa niteny an’izao sy izao izy, ka niverina tamin’ny manaraka nitondra vaovao tsara. Dia hoy izy : “Mandehana any ary lazao aminy hoe : Tsy isan'ny mponin’ny Afobe ianao, fa ho ao anisan’ny olon’ny Paradisa".
Explanation
Ka niverina tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy, ary nilaza taminy ny amin'izany, ary nanome baiko azy ny Mpaminany (S.A.W) mba hiverina any amin'i Thabit ary hitondra ny vaovao mahafaly ho azy fa tsy anisan'ny mponin'ny afobe izy fa mponin'ny paradisa satria avo voajanahary ny feony, ary izy no mpandaha-tenin'ilay irak'Allah ary mpitory tenin'ireo Ansar.
Benefits
Firaharahana ataon'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ireo mpanaradiany sy ny fanarahamasony ankaiky sy fitadiavany azy ireo.
Ny tahotr'ireo mpanaradia (R.A) amin'ny ho foana ny asany.
Voadidy ny fanehoana fahalalam-pomba eo amin'ny firesahana amin'ny Mpaminany (S.A.W) mandritra ny androm-piainany, ary ny fampihenana ny feo rehefa mandre ny fombam-piainany aorian'ny fahafatesany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

