Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : Ireo vahoaka mpanompo sampy efa namono olona im-betsaka sy nijangajanga be dia be, ka tonga nanatona an'ny mpaminany Mohammad (S.A.W) izy ireo ary niteny hoe : Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay, teo dia nilatsaka ny andininy masina manao hoe : “Ary izay tsy mangataka amin'ny Tompo hafa, miaraka amin'Allah, sy tsy mamono ny aina izay nataon'Allah voarara, raha tsy amin'ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga}. -[Forqan : 68], ary nilatsaka koa ny andininy hafa hoe: “Lazao hoe : Ry mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra tamin'ny tenany, aza very fanantenana amin'ny famindram-pon'Allah ianareo.” [Al-Zomar: 53].
Explanation
Koa nidina ireo andininy roa ireo, izay naneken’Allah ny fibebahan’ny olona na teo ny fahotana betsaka sy lehibe vitany, ary raha tsy izany, dia ho nanohy ny tsy finoany sy ny fandikan-dalàna ary tsy niditra tamin’io finoana io izy ireo.
Benefits
Ny haben’ny famindrampon’Allah sy ny famelan-kelony ary ny fandeferany ho an’ireo mpanompony.
Fandrarana ny fanompoan-tsampy, fandrarana ny famonoana olona amin'ny tsy ara-dalàna, ny fandrarana ny fijangajangana, ary ny fandrahonana ireo izay manao izany fahotana izany.
Ny fibebahana amin-kitsimpo miaraka amin’ny fahadiovam-po sy ny asa soa dia manafoana ny fahotana lehibe rehetra, anisan’izany ny tsy finoana an’Allah ilay Tsitoha.
Voarara ny famoizam-po sy ny fahakivina amin'ny famindrampon'Allah ilay Be voninahitra.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

