ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) Niteny manao hoe : Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Allah marina no naniraka anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.
Explanation
Benefits
Ny toetra tsaran’ny Mpaminany (S.A.W) sy ny hatsaram-panahiny amin’ny famaliana ny fanontaniana, ary ny famaliana amin'ny fomba tsara no anisan’ny anton’ny fanekena ny fiantsona.
Azo atao ny mampahafantatra ny olona iray manana fiodirana fotsy, mena, lava, fohy, sy ny toy izany, izay tsy natao hahatonga fahafaham-baraka, raha tsy halany izany.
Azo ataon'ny tsy mpino miditra ao amin’ny Mosque raha misy anton-diany.
Tsy voalaza ny fivahiniana masina tao amin'ny Hadith Satria mety mbola tsy voadidy izany tamin'io fotoana io.
Fitiavan'ny Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.A.W) ny fampielezana sy fiantsona ny Olona; vao tafiditra anaty finoana Izy dia tapa-kevitra ny hiantso ny vahoakany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

