Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty."
Explanation
Ny voalohany : Fanompana ny taranaky ny olona, manambany azy ireo ary manambony tena aminy.
Ny faharoa : mampiaka-peo mandritra ny loza noho ny fahatezerana amin’ny anjara, na mandrovitra akanjo noho ny tahotra.
Benefits
Ilaina ny faharetana amin'ny loza ary tsy tokony ho tezitra.
Ireo fihetsika ireo dia avy amin’ny tsy finoana madinidinika, ary tsy midika fa izay manao iray amin’ireo sampan’ny tsy finoana dia voasokajy ho tsy mpino izay mamoaka azy amin'ny finoana mandra-pahatongavany amin'ny tsy finoana lehibe.
Ny finoana silamo dia mandrara izay rehetra mitarika fisaratsarahana eo amin'ny silamo, toy ny fanafihana firazanana sy ny zavatra hafa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

