Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Aqbat Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”.
Explanation
Nisy lehilahy avy amin'ny Answar niteny hoe : Ahoana raha ny havan’ilay lehilahy? Toy ny rahalahin-dralehilahy, ny zana-drahalahiny, ny dadatoany, ny zanak’olo-mpiray tampo aminy, ny zanaky ny anabaviny, sy ny toy izany, izay afaka manambady azy?
Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Tandremo izy ireny tahaka ny fitandremanareo ny fahafatesana! Satria miteraka fifandirana sy fahapotehana eo amin’ny finoana ny mijanona irery miaraka amin’ireo havam-bady. Satria ny havan’ny lehilahy ankoatra ny rainy sy ny zanany dia voakasika voalohany amin'ny fandrarana noho ny hafa. Satria ny fijanonana irery miaraka amin’ny havan’ny lahy dia tokony hahasaropiaro kokoa noho ny amin’ny olon-kafa, ary ny ratsy mety hiseho aminy mihoatra noho amin'ny olon-kafa, ary ny fakam-panahy avy aminy no azo inoana kokoa. Mba hahafahany mahazo an-dravehivavy sy irery miaraka aminy tsy misy fanoherana azy, ary satria ilaina izany, ary tsy azo atao ny manakana azy tsy ho eo aminy, araka ny mahazatra ny milefitra amin'izany, dia toy izany koa ny lehilahy mijanona irery amin’ny vadin’ny rahalahiny; Mitovitovy amin’ny fahafatesana raha resaka faharatsiana sy fahalovana izany, fa tsy toy ny lehilahy tsy hafa, izay tsy maintsy ampitandremana.
Benefits
Izany dia ankapobeny ho an'ny vahiny, anisan'izany ny anadahin'ny lehilahy sy ny havany, izay tsy havan'ny vehivavy, ary tsy maintsy heverina fa ny fidirana dia tsy misy ny fitokana-monina.
Misoroka ny fahadisoana amin'ny ankapobeny, noho ny tahotra ny ho latsaka amin'ny ratsy.
Hoy i Al-Nawawi : Nifanaiky ireo manam_pahaizana rehetra fa havan'ny vadin'ny vehivavy, toy ny rainy, ny dadatoany, ny rahalahiny, ny zana-drahalahiny, ny zanak'olo-mpiray tampo aminy, sy ny toy izany, ary ireo anabavy roa dia havan'ny vadin-dehilahy, ary ny rafozana dia misy karazany roa.
Nampitoviny (ny havam_badiny) tamin'ny fahafatesana, hoy i Ibn Hajar : Ny Arabo dia milaza ny zavatra tsy tiany ho toy ny fahafatesana, ny tiany ampitovizina eto dia ny fahafatesan'ny finoana raha tafalatsaka tao amin'ny fahotana, ary ny fahafatesan'ny ilay voatsapa raha tafalatsaka tamin'ny ota dia ny tora-bato, ary ny fahafatesan'ny vehivavy dia ny fisarahan'ny vadiny, raha ny fialonana no mahatonga azy hisaraka aminy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

