“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Sai’d Al*Kodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”
Explanation
Benefits
Fitandremana amin'ny fakam-panahy eo amin'ny vehivavy, amin'ny alalan'ny fijerena na ny fankamorana amin'ny fifangaroany amin'ny lehilahy vahiny, na amin'ny fomba hafa ankoatr'izany.
Ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy dia anisan'ny fakam-panahy lehibe indrindra eto an-tany.
Ny fankana lesona avy amin’ireo vahoaka taloha, ka izay nitranga tamin'ireo zanak'Israel dia mety hanjo ny hafa ankoatr'izy ireo ihany koa.
Ny fakam-panahy ataon’ny vehivavy, raha vady izy, dia mety hahatonga ny lehilahy handany mihoatra izay zakany, ka izany dia hahatonga azy tsy hanam-potoana amin’ny fikatsahana ny raharaha momba ny finoana, ary hahatonga azy ho potika amin’ny fikatsahana ny mahasoa eto an-tany, ary raha vahiny izy (tsy havana akaiky), dia mety ho fakam-panahy ho an'ilay lehilahy amin'ny alalan'ny fandrebirebeny azy sy ny fialany amin'ny fahamarinana raha mivoaka sy mifangaro aminy, indrindra raha mitanjatanjaka izy ireo, ary izany dia mety hitarika amin'ny fahalatsahana amin'ny fijangajangana amin'ny ambaratongany maro, ka ny mpino dia tokony hifikitra amin’Allah ary mangataka Aminy mba ho afaka amin’ny fakam-panahin'izy ireo.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

