HadeethEnc · 1.21.0
“Izay nifoha maraina aminareo ka salama tsara, tsy manana ahiahy amin’ireo eo ambany fiahiany, ary manan-kohanina amin’ny androny, dia toy ny efa nahazo an'izao tontolo izao”
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'ny i Ubayd Allah bin Mohsin Al-Ansari (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay nifoha maraina aminareo ka salama tsara, tsy manana ahiahy amin’ireo eo ambany fiahiany, ary manan-kohanina amin’ny androny, dia toy ny efa nahazo an'izao tontolo izao”.
02
Explanation
Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) amintsika fa izay mifoha salama tsara ry mpino silamo sy afaka amin’ny aretina sy ny fahorina, tsy matahotra ny tenany, ny ankohonany, ny taranany ary ny làlany, manana hanina ara-dalàna ho an’ny androny izy; Toy ny hoe natambatra ho azy izao tontolo izao.
03
Benefits
Fanazavana ny maha-zavadehibe ny filàn'ny olombelona ny fahasalamana, ny filaminana ary ny fivelomana.
Tsy maintsy midera sy misaotra an’I Allah Tsitoha ny mpanompo noho ireo fitahiana ireo.
Famporisihana amin'ny fahafaham-po sy ny fanalavirana ny fiainana eto amin'izao tontolo izao.
Tsy maintsy midera sy misaotra an’I Allah Tsitoha ny mpanompo noho ireo fitahiana ireo.
Famporisihana amin'ny fahafaham-po sy ny fanalavirana ny fiainana eto amin'izao tontolo izao.
Attribution
[Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

