Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Omar bin Abi Salama (R.A), niteny izy manao hoe : Zazalahy taizan'Irak'i Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tànako, dia hoy ny irak'I Allah tamiko hoe : “Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao". Ary tahaka izany hatrany ny fihinanako taorian'izany.
Explanation
Ny voalohany amin'izany dia ny : fitenenana : “Bismillàhi" -amin’anaran’Allah- eo am-piandohan’ny sakafo.
Ny faharoa : Mihinana amin’ny tànana havanana.
Ny fahatelo : Mihinana eo amin'ny faritra akaiky amin'ilay sakafo.
Benefits
Fampianarana ireo fahalalam-pomba ho an' ny ankizy, indrindra fa ny ankizy izay eo ambany fiahian'ilay olona.
Ny fahatsoran'ny Mpaminany (S.A.W) sy fivelaran'ny fony amin'ny fampianarana ireo ankizy sy fanabeazana azy ireo mba hahalala fomba.
Anisan'ny fomba fanao amin'ny fisakafoanana ny mihinana amin'izay eo anoloany ny olona iray, afa-tsy hoe karazany maro samihafa ilay sakafo, ka amin'izany dia azony atao ny maka amin'izany.
Ny mpiara-dia (Sahàbat) dia nifikitra tamin'ny fahalalam-pomba nampianarin'ny Mpaminany (S.A.W), azy ireo, ary izany dia azo tsoahina avy amin'ny tenin'i Omar manao hoe : Dia tahaka izany foana ny fomba fihinanako taorian'izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

