Niteny teny efatra aho taorianao ary naveriko in-telo izany, raha nolanjaina tamin'izay nolazainao hatramin'ny maraina ka hatramin'izao dia navesatra ny lanjan’izy ireo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Jowairia Renin'ireo mpino (R.A) niteny : Nandao azy vao maraina ny Mpaminany rehefa avy nivavaka maraina, raha tao amin'ny moskeny izy, dia niverina izy taorian'ny fiposahan'ny masoandro, dia mbola tratrany nipetraka teo izy. Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Mbola eo amin’ilay toerana nandaozako anao ihany ve ianao?” Hoy izy : Eny, hoy ny Mpaminany : "Niteny teny efatra aho taorianao ary naveriko in-telo izany, raha nolanjaina tamin'izay nolazainao hatramin'ny maraina ka hatramin'izao dia navesatra ny lanjan’izy ireo : Voninahitra anie ho an’I Allah sy ny dera, araka ny isan’ny zavaboariny sy ny fahafaham-pony, araka ny lanjan’ny seza fiandrianany sy ny ranomaintin’ny teniny.
Explanation
Benefits
Tsy mitovy ny Zikr, ny sasany dia tsara kokoa noho ny hafa.
Hoy i Al-Nawawi momba ny teniny (Voninahitra ho an'I Allah ary dera ho Azy, ny ranomaintin'ny teniny) : Ny tiana ho lazaina amin'izany dia ny fahabetsahany loatra; Satria izy no nilaza voalohany ny habetsahan'ny zavaboary azo fehezina amin'ny alàlan'ny fanisana, avy eo ny lanjan'ny seza fiandrianana, dia nitsangana tamin'izay lehibe noho izany izy ary naneho izany tamin'ity, izany hoe, izay tsy tambo isaina amin'ny fanisana tahaka ny misy azy dia tsy tambo isaina.
Hoy I Ibn al-Qayyim : Ny zavatra hipoitra ao am-pon'izay mahatsiaro rehefa miteny izy hoe : Voninahitra anie ho an'I Allah ary isaorana anie Izy, ny isan'ny zavaboariny... sns amin'ny fahalalany, ny fahamarinany ary ny voninahiny amin'izany, ny isa voalaza dia lehibe noho izay mipoitra ao am-pon'ilay manao hoe : "Voninahitra ho an'I Allah" ihany.
Torolalana amin'ny teny feno izay misy teny vitsivitsy, izay hanomezana voninahitra sy valisoa lehibe ho azy ireo.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

