Lehiben'ny fangataham-pamelana
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".
Explanation
Benefits
Ny mpanompo dia tokony hifikitra amin’ny fangatahana amin’i Allah amin’ity Douan ity; Satria izy no lehiben'ny fangataham-pamelana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

