“Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”.
Explanation
Ny voalohany : Iza mamely vatana, indrindra fa ny takolaka, satria izy no maro an'isa amin'izany, raha tsy izany dia tafiditra ao anatin'ny fandrarana ny mamely ny tavany.
Ny faharoa : Mandrovitra ny akanjo mba hidiran'ny lohany noho ny tebiteby tafahoatra.
Ny fahatelo : Nitalaho tamin’ny fitalahoan’ny olona talohan’ny finoana silamo toy ny fitalahoana loza, fandringanana, fitomaniana, ratra, sy ny hafa.
Benefits
Voadidy ny manam-paharetana eo anatrehan’ny loza, ary voarara ny tsy faly amin’ny didim-pitsaran’I Allah izay mangotsika, ary maneho izany : amin’ny fidradradradrana, hiakihaka, fanapaham-bolo, fandrovitana, na hafa.
Voarara ny maka tahaka ny andron'ny tsy fahalalana amin'ny fanaovana izay tsy eken'ny lalàna.
Tsy misy maharatsy ny alahelo sy ny fitomaniana, satria tsy mifanohitra amin’ny faharetana amin’ny didin’I Allah izany, fa izy io dia famindram-po napetrak’I Allah ao am-pon’ny havana aman-tsakaiza.
Ny silamo dia tokony afa-po amin'ny sitrapon'I Allah, ary raha tsy afa-po izy dia ny faharetana no voadidy aminy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

