ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato".
Explanation
Niteny ireo mpanontany manao hoe : ny tenin'izy ireny indraindray dia mifanaraka amin'ny zava-miseho, toy ny filazan'izy ireo fa hisy zavatra hitranga amin'ny volana izao sy andro izao dia tena mitranga tokoa araka ny voalazany.
Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Mandre ny vaovao avy any an-danitra ny jiny, dia midina manambara izany any amin’ny mpimasy namany, avy eo ilay mpimasy indray no nanampy lainga zato tamin’izay reany tany an-danitra.
Benefits
Voaaro ny lanitra amin'ireo satana taorian'ny fandefasana an'ny Mpaminany (S.A.W) mba tsy hiaino ireo hafatra na ankoatra izany afa-tsy izay mangalatra mihaino ka naheno kely tamin'izany ary avotra tamin'ny tainkintana.
Ny Djiny dia maka sakaizany amin'ireo olombelona.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

