Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo tamin'i Ibn Omar (RA), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe: "Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena."
Explanation
Benefits
Ny fandrarana ny fanalavana lamba dia voatokana ho an'ny lehilahy, Hoy i Al-Nawawi : Niray feo ny manam-pahaizana ny amin'ny fanalavana lamban'ny vehivavy, ary tatitra marina azo avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) no nanome alàlana azy ireo mba hampidina ny lambany iray hakiho.
Ibn Baz dia nilaza hoe : Ny fanalavana fitafy dia voarara sy tsy azo atao araka voalaza amin'ny ankapoben'ny hadith. Fa ny sazy dia ho an'ny mpanambony tena ary tsy voatery hitovy, satria tsy mitovy amin'izay tsy nikasa ny olona nikasa hisehoseho.
Hoy I Ibn Baz : Henatra ny vehivavy, noho izany dia tsy misy fanoherana ny famelana ny lambany hivaha na dia iray santimetatra aza, raha tsy ampy izany, dia afaka mamela ny halavan’ny tànany izy, manomboka amin’ny kitrokeliny.
Hoy i Al-Qaadi : Hoy ireo manam-pahaizana : Amin’ny ankapobeny, ny zavatra rehetra lava sy mihoam_papana mihoatra kokoa noho izay ilaina sy mahazatra amin’ny fitafiana dia tsy tsara, ary Allah no mahalala ny tsara indrindra.
Hoy i Al-Nawawi : Ny fatra tsara dia izay idinan'ny moron-tongotry ny lobaka sy ny akanjo, ka ny antsasaky ny tongony izany, ary tsy misy tsiny aminy ny eo anelanelany sy ny kitrokeliny, ary ny eo ambanin'izany dia any amin’ny helo, ka ny antsasa-tongotra no tsaratsara, ary azo atao nefa tsy mankahala dia izay ao ambaniny ka hatreo amin’ny kitrokely, ka izay midina avy amin’ny kitrokely dia voarara.
Hoy I Ibn Othaimeen, araka ny teniny hoe : (tsy mijery azy Allah), izany hoe mibanjina azy amim-pamindram_po sy fangorahana, ary ny tiana ho lazaina amin’izany dia tsy hoe : fiheverana ankapobeny; Satria tsy misy takona amin’I Allah, Voninahitra ho Azy, ary tsy misy tsy azony, fa ny fahitana ny famindram_po sy ny fiantrana no tiana ho lazaina.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

