HadeethEnc · 1.21.0
Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Oumar (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy".
02
Explanation
Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W), fa i Jibril dia namerimberina taminy sy nandidy azy mba hikarakara ny mpiara-monina aminy, izay akaiky ny tranony, na silamo na tsy mpino, havana na tsia, miaro ny zony ary tsy manisy ratsy azy, manao soa azy ary miharitra amin'izay ratsy ataony, ka nihevitra i Mpaminany (S.A.W) noho ny halebeazan'ny zon'ny mpifenolobodirindrina sy ny famerimberenana azy fa hidina aminy fanambarana amin'ny fanomezana harenany ho lovainy.
03
Benefits
Ny halehiben'ny zon'ny mpifanolo-bodirindrina sy ny fikarakarana azy.
Fanamafisana ny zon’ny mpifanolo-bodirindrina amin’ny alàlan’ny hafatra mirakitra ny hanomezam-boninahitra azy, ho sariaka sy ho tsara fanahy aminy, ary hanosika ny loza mety hanjo azy, hitsidika azy rehefa marary, hiarahaba azy rehefa misy mahafaly azy, ary hampionona azy rehefa tra-pahoriana.
Isaky ny varavaran'ny mpifanolobodirindrina akaiky anao dia voamarina sy lehibe ny zony.
Ny fahafenoan'ny lalàna Islamika amin'ny zavatra nentiny, izay mahasoa ny fiaraha-monina, toy ny hatsaram-panahy amin'ny mpiray monina sy ny fisorohana ny loza avy amin'izy ireo.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares