“Ry olombelona, mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Al-Aghar, izay iray amin'ireo mpiaradian'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ry olombelona, mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
Explanation
Benefits
Amin’ny ankapobeny ny fibebahana, na avy amin’ny fanaovana fahotana voarara izany na noho ny fanaovana tsirambina ny adidy.
Ny fahadiovam-po amin’ny fibebahana dia fepetra iray amin’ny fanekena izany, ka izay miala amin’ny fahotana amin’ny hafa ankoatra an’I Allah dia tsy voasokajy ho mpibebaka.
Hoy i Al-Nawawi : Misy fepetra telo ho an'ny fibebahana : Miala amin'ny fahotana, manenina tamin'ny fanaovana izany, ary manapa-kevitra hentitra ny tsy hamerina toy izany intsony. Fa raha mifandray amin'ny olombelona ny fahotana, dia misy fepetra fahefatra, dia ny hoe : Mamerina sy mifona amin'izay nanaovanao azy, na mahazo fahafahana madiodio aminy.
Marihina fa ny fikatsahana famelan-keloka avy amin’ny Mpaminany dia tsy voatery ho noho ny fahotana vitany, fa noho ny fanompoany tanteraka sy ny firaiketam-pony amin’ny fahatsiarovana Azy, ary fahatsapany ny halehiben’ny zon’I Allah sy ny tsy fahatomombanan’ny mpanompo, na manao ahoana na manao ahoana, amin’ny fisaorana ny fahasoavany dia resaka lalàna ho an’ny vahoaka mandimby azy izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

