Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo tamin'i Al-Mikidam Ibn Man'di Karib (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany.
Explanation
Benefits
Ny tanjona amin’ny fihinanana dia ny fitandroana ny fahasalamana sy ny tanjaka, izay fototry ny fiainana.
Ny famenoana sakafo ny vavony dia miteraka fahavoazana ara-batana sy ara-pivavahana. Hoy i Omar (R.A) : “ Tandremo ny fihinanana diso tafahoatra, fa izany dia manimba ny vatana sy mampalaina amin'ny fanatanterahana ny vavaka.”
Ny fihinanana, araka ny didy, dia mizara ho sokajy toy izao : tsy maintsy atao Obligatoara ny misakafo, satria izany no ahafahana mitazona ny aina fa ny fandavana izany kosa dia miteraka loza sy fahavoazana amin'ny aina sy vatana. Ny Azo atao, izay mihoatra ny vola sy ny entimanana tsy maintsy atao ary tsy atahorana amin'ny loza. Ny tsy tsara, izay atahorana fa mety hanimba. Ny Voarara, izay fantatra fa tena manimba. Ary ny Atolotra, izay hita fa manampy amin'ny fanompoam-pivavahana sy ny fankatoavana an'i Tompo Allah. Izany dia voafintina ao amin'ny Hadith amin'ny ambaratonga telo : Voalohany : mameno ny vavony. Faharoa: Sakafo na sombi-mofo manatanjaka ny lamosina fotsiny. Fahatelo : Ny teniny hoe : " Ny ampahatelony ho an'ny haniny, ny ampahatelony hosotroiny, ary ny ampahatelony ho an'ny fofonainy." Izany rehetra izany dia mihatra raha azo atao ny karazana sakafo.
Ny Hadith dia fitsipika momba ny fitsaboana, ary satria ny siansa momba ny fitsaboana dia mifototra amin'ny fitsipika telo : ny fitazonana hery, ny sakafo ary ny fandoavana, ny Hadith dia ahitana ny roa voalohany amin'izy ireo, toy ny ao amin'ny tenin'ny Tompo avo Tsitoha manao hoe : "Ary mihinàna sy misotroa, fa aza mihoa-pefy. Eny tokoa, tsy tiany ireo izay manao tafahoatra Izy ". [Al-An’rafy : 31]
Ny fahafenoan'ity lalàna ity dia ahitana ny tombontsoan'ny Olona amin'ny fivavahany sy ny fiainany amin'izao tontolo izao.
Anisan'ny siansa ny fitsipiky ny fitsaboana sy ny karazany maro samy hafa, araka ny voalaza ao amin'ny tantely sy voa mainty.
Ny fahafenoany fepetran'ny lalàna dia mirakitra fahendrena ary mifototra amin'ny fisorohana ny fahavoazana sy ny fahazoana tombontsoa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

