HadeethEnc · 1.21.0
“Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”.
02
Explanation
Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) fa fepetra takina mba hahatomombana ny fivavahana swalat : dia ny fahadiovana, ka izay te hivavaka dia tsy maintsy manao Ouzou rehefa nanao zavatra manafoana ny ouzou. Toy ny fivoahana, na fipipizana, na torimaso lalina sns...
03
Benefits
Swalat-n'ny olona nivoahan'ny loto dia tsy azo ekena raha tsy mandro noho ny loto lehibe ary ouzou kosa raha loto kely.
Ny ouzou dia ny fakana rano, fanontsanana azy ao am-bava ary mamoaka izany, avy eo misintona ny rano amin'ny fofonainy mankany anaty orony, avy eo mamoaka izany, avy eo manasa ny tavany intelo, dia manasa tànana hatreo amin'ny kiho in-telo, dia safoina indray mandeha ny lohany iray manontolo, ary manasa ny tongony roa hatreo amin’ny kitrokeliny intelo.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares