Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anankiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany izy".
Explanation
Benefits
Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W) ny famporisihany ny olona hanao asa fankatoavana sy fanompoam-pivavahana amin'ny filazana ny valisoa sy tambiny ho azy ireo.
Ny taovan'ny olombelona rehetra dia latsaka ao anatin'ny fahotana sasany, ary noho izany ny fahotana dia manaraka ny ratra rehetra azony, ary mivoaka avy amin'ny ratra rehetra izay mibebaka amin'izany.
Ny Ozo dia ahitana ny fanadiovana ara-batana, izay mitranga rehefa voasasa ny rantsambatana, ary ny fanadiovana ara-moraly, izay mitranga amin'ny famafana ny ota ataon'ny rantsam_batana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

