“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".
Explanation
Benefits
Anisan'ny fahafenoan'ny finoana ny fitiavan'ny mpino zavatra ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany.
Tsara ny fanaparitahana fifampiarahabana sy fanaovana izany ho amin'ireo mpino; Satria mampiely fitiavana sy filaminana eo amin'ny olona izany.
Ny mpino silamo ihany no tolorana firahabana Salam; noho ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Eo aminareo".
Ny fanaparitahana fiarahabana "Salam" dia manala ny fifandrafesana sy fifanalavirana ary ny fifankahalana.
Ny maha zava-dehibe ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpino silamo ary anisan’ny fahafenoan’ny finoana izany.
Voalaza amin’ny hadith hafa fa ny endrika feno amin’ny fiarahabana dia ny hoe : “Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh" izay midika hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fitahian’Allah”, ary ampy ny fitenenana hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminareo anie ny fiadanana”.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

