HadeethEnc · 1.21.0
Izay miady hampiakatra avo ny tenin'Allah dia mizotra amin'ny làlan'Allah
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abi Mossa (R.A) niteny : Nanontaniana ny irak'Allah momba ny lehilahy iray izay miady amin'ny fahasahiana, sy miady noho ny fiarovana, ary ny miady amin'ny fireharehana, hoe : aiza amin'izy ireo no natao ho an'Allah? Dia hoy ny irak'Allah namaly hoe : "Izay miady hampiakatra avo ny tenin'Allah dia mizotra amin'ny làlan'Allah".
02
Explanation
Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) momba ny tanjona samihafa ananan'ireo mpiady. Misy ny miady noho ny fahasahiana, na noho ny fiarovana, na ny mba hahitana ny toerany eo anivon’ny vahoaka, na ny hafa ankoatr'izany, dia aiza amin'izy ireo no amin’ny làlan'Allah? Dia nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpiady amin'ny làlan'Allah dia izay miady mba hampiakatra avo ny tenin'Allah.
03
Benefits
Ny fitsipika fototra momba ny fahatsaran'ny asa sy ny fahasimbany dia ny fikasana sy ny fahadiovam-po amin'ny asa atao ho an'Allah.
Raha ny hampiakatra avo ny tenin'Allah no tanjona tamin'ny ady natao dia, ary ampiarahina amin'ny tanjona ara-dalàna hafa, toy ny fahazoana harena, dia tsy manimba ny fikasana tany am-boalohany izany.
Fanoherana ny fahavalo tsy hiditra ny tanindrazana sy ny toeram-ponenana masina dia tafiditra ho ady amin'ny làlan'Allah.
Ny valisoa voalaza ho azon'ireo mpiady dia voatokana ho an'ireo izay niady mba hampiakatra ambony ny tenin'Allah ilay Tsitoha.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares