avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaïrah (R.A) : Nentina teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) hena iray ka nampiakariny teo amin'ny sandriny, ary tena tiany izany, ka nokapainy kely, avy eo niteny izy manao hoe : “Izaho no lehiben’ny olona amin’ny andro fitsanganan’ny maty, ary fantatrareo ve ny dikan’izany? avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany dia hiteny ny olombelona hoe : «Tsy hitanareo ve ny manjo anareo, tsy mitady olona hanelanelana anareo amin’ny tomponareo ? Dia mifampiresaka ny olona ka miteny ny sasany hoe : Tokony ho any amin'i Adama ianareo, dia tonga tany amin'i Adama izy ireo, ary niteny taminy hoe : Ianao no rain'ny olombelona, noharian’I Allah tamin'ny tànany ianao ary nitsofony tao aminao ny fanahiny, ary nandidy ireo anjely hiankohoka teo anatrehanao, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny ? Tsy hitanao ve ny mahazo atsika ankehitriny? . Dia hoy i Adama : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izy efa nandrara ahy tamin'ny hazo nefa tsy nankatoa azy aho, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako. Koa mandehana ianareo any amin'i Noha. Lasa any amin’i Noha izy ireo ka niteny hoe : Ry Noha, ianao no voalohany tamin’ireo iraka ho an’ny olona eto an-tany, ary efa nomen’I Allah anarana ianao hoe mpanompo feno fankasitrahana, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izaho dia nangataka ratsy tamin’ireo vahoakako, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’i Abraham . Lasa tany amin’i Abrahama izy ireo ka niteny hoe : Ry Ibraham, ianao mpaminanin’I Allah sy sakaizany eto an-tany, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nandainga amin’ny lainga anakintelo, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mossa. Lasa tany amin’i Mossa izy ireo ka niteny hoe : Ry Mossa, ianao Dia nosafidin’I Allah tamin’ny hafany sy ny firesahany manoloana ny olombelona, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nahafaty olona izay tsy nanirahana ahy hamono azy, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Issa. Lasa tany amin’i Issa izy ireo ka niteny hoe : Ry Issa, ianao Irak’Allah sy teniny nitsofony tao amin’i Mary sy fanahiny, ary niresaka tamin’ny olona teo am-parafara tamin’ny voateraka, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy nanonona fahadisoana vitany, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mohammad. Lasa tany amin’i Mohammad izy ireo ka niteny hoe : Ry Mohammad, ianao Irak’Allah sy farany tamin’ireo Mpaminany, ary efa nofafan’I Allah ny fahotanao lasa sy ny mbola ho avy, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moave tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Dia mandeha aho ka tonga eo ambanin’ny seza fiandrianana, ary miankohoka eo anatrehan’ny Tompoko, ilay Mahery Indrindra, Ilay Lehibe,Avy eo Allah dia hanome ahy ny iray amin’ny fiderana Azy sy ny fiderana tsara izay tsy nomeny na iza na iza talohan’ny tenako avy eo dia ho lazaina hoe : Ry Mohammad, atsangano ny lohanao, mangataha dia homena ary raha mangataka fanelanelanana dia ho elanelana, dia hanandratra ny lohako aho ka niteny hoe : Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Dia ho lazaina amiko hoe : Ry Mohammad, ampidiro amin’ny Paradisa avy amin’ny vahokanao ireo izay tsy mandalo fitsarana, amin’ny vavahady havanan’ny Paradisa, ary izy ireo dia mpiara-miasa amin’ny olona ao amin’ny vavahady hafa rehetra, avy eo dia dia miteny izy : Mianiana amin’ilay mitazona ny aiko eo am-pelatànany, ny eo anelanelan'ny vavahadin'ny Paradisa roa dia toy ny eo anelanelan'i Lameka sy Himyar - na eo anelanelan'i Lameka sy Bosra -».
Explanation
Benefits
Fitiavana bebe kokoa ny Mpaminanintsika (S.A.W) mihoatra noho ny olona rehetra.
Hoy AL-QAADI Iyad : Nolazaina hoe : Ny lehibe dia izay mihoatra ny olony ary atahorana amin'ny fotoan-tsarotra, ary ny Mpaminany (S.A.W) no lehiben'izy ireo eto an-tany sy ny any ankoatra, ary natao manokana ny andro farany noho ny hitsanganan’ireo mpanapaka eo, ary hanaiky Azy avokoa izy rehetra, ary satria ho eo ambanin’ny fanevany i Adama sy ny zanany rehetra.
Ny fahendrena fonosin'ny fanomezan'I Allah aingam-panahy azy ireo hanontany an’i Adama sy ireo nanaraka azy, tany am-piandohana, ary tsy nahazo tsindrimandry izy ireo hangataka ny Mpaminany Mohammad, mba hanehoana ny voninahiny, fa izy no miakatra amin'ny toerana ambony sy akaiky tanteraka.
Azo ataon'ny mpanompo sahirana mila tànana ny milazalaza ny toetra tsara indrindra momba ilay manam-pahefana. Mba ho mora kokoa ny mamaly.
Azo atao ny miala tsiny amin’ny fomba ankasitrahany ny olona anontaniana momba ny raharaha iray izay tsy hainy atao, ary tsaratsara ho an’izay mihevi-tena ho mahavita azy kokoa ny mitarika azy.
Fanazavana ny horohoron'ny toe-javatra sy ny hamafin'ny famoriana ny mpanompo amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.
Ny fanetren-tenan’ireo mpaminany rehefa nahatsiaro ny lasany; Ny fahatsapana fa ambany noho io toerana io izy ireo.
Porofon'ny fanelanelanana lehibe indrindra amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia ny fisarahana eo amin'ny samy olombelona.
Porofon'ny fanelanelanana sy ny toerana mendrika ny irak'Allah (S.A.W).
Tsy manam-pahataperana ny fiderana an’I Allah Tsitoha, noho izany nosokafan'I Allah ho an’ny Irany izany toerana fiderana tsara ho azy izany zavatra izay tsy nosokafany tamin’iza na iza teo alohany.
Fanazavana fa ny vahoakan'i Mohammad no vahoaka tsara indrindra, Izy ireo dia manana toetra manokana amin'ny fidirana ao amin'ny Paradisa, satria ireo izay tsy mandalo fitsarana amin'zy ireo dia miditra amin'ny vavahady manokana, ary mandray anjara amin'ny olona amin'ny sisa amin'ny vavahadin'ny paradisa sisa tavela.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

