Tena marina fa i Tompo Allah dia manoratra ireo asa tsara sy asa ratsy. Avy eo dia nohazavainy izany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Ibn 'Abbaas (R.A), fa nilaza ny Irakan'i Tompo Allah (SA
.W.A), mitatitra ny resaky ny Tompony -ilay Feno fahasoavana sy Avo indrindra-, ka niteny hoe : Tena marina fa i Tompo Allah dia manoratra ireo asa tsara sy asa ratsy. Avy eo dia nohazavainy izany : izay mikasa feno ny hanao asa soa iray, nefa tsy tanterakany ny fanaovany an'izany, dia lasa soratan'i Tompo Allah ho asa soa vita ihany amin'ny endrika feno ihany izany eo Aminy; fa raha mikasa feno kosa Izy ka tanterakany ilay asa, dia soratan'i Tompo Allah any Aminy izany ho asa soa folo, hatramin'ny fitonjato heny, na mihoatra betsaka noho izany. Ary raha mikasa feno ny hanao asa ratsy iray kosa Izy, nefa tsy nataony izany asa ratsy izany, dia soratan'i Tompo Allah ho asa soa feno izany any Aminy; fa raha mikasa feno kosa Izy ary nataony izany asa ratsy izany, dia soratan'i Tompo Allah ho asa ratsy iray izany.
Explanation
Koa izay mikasa sy manapa-kevitra ny hanao asa soa, dia hosoratana mahazo valisoa iray, na dia tsy manao izany aza izy, fa raha nanao izany dia hampitomboina folo avo heny izany, na ho fiton-jato na ho maro mihoatra izany, ary ny fitomboana dia araka ny finiavana madio ao am-po mihoatra ny tombontsoa, sy ny sisa.
Ary izay maniry sy mikasa ary manapa-kevitra ny hanao asa ratsy, avy eo mamela izany noho ny Tompo Allah, dia hosoratana asa soa iray, ary raha namela izany amin'ny tsy antony dia tsy hisy voarakitra an-tsoratra ho azy, ary raha miala amin’ny tsy fahafahany manao izany Izy, dia hosoratana araky ny fikasany, ary raha manao izany izy, dia asa ratsy iray no hosoratana ho azy.
Benefits
Ny maha-zava-dehibe ny fikasana amin'ny asa sy ny fiantraikany
Ny fahasoavana sy ny fahatsorana ary ny hatsaram-panahin’i Allah ilay avo Tsitoha dia ny hoe : Izay mikasa ny hanao asa tsara nefa tsy manao izany dia raisin’Allah ho asa soa izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

