Izay zavatra rehetra nandrarako Anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra rehetra nanirahako Anareo dia ataovinareo izay mety vitanareo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira, Abd rahmani ibn Soakhry (R.A) niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Izay zavatra rehetra nandrarako Anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra rehetra nanirahako Anareo dia ataovinareo izay mety vitanareo amin'izany; Satria ny naharingana ireo Olona talohanareo dia ny hamaroan'ny fanontaniana sy ny fifandiran'izy ireo tamin'ireo mpaminanin'izy ireo.
Explanation
Benefits
Ny fandrarana dia tsy mamela ny fanaovana na inona na inona, ary ny baiko dia voafetra ho amin'ny fahavitana azy, Satria azo atao ny tsy fijanonana ary ny asa rehetra dia mitaky fahaizana manatanteraka ny asa izay nandidiana.
Fandrarana ny amin'ny fametrahana ny fanontaniana be loatra, efa nozarain'ireo manam-pahaizana ho roa ny fanontaniana : Ny iray amin'izy ireo: Izay fanontaniana rehetra napetraka noho ny fianarana ny zavatra ilaina momba ny finoana, takina ny hanaovana izany, ary tahaka izany ny fanontaniana nataon'ireo Mpanaradia (sahaba). Ary ny faharoa : Izay miendrika di-doha sy hanihany, ary izany ilay voarara.
Fampitandremana an’ity vahoaka ity amin’ny tsy fankatoavana ny Mpaminaniny, toy ny nitranga tamin’ireo vahoaka teo alohany.
Ny zavatra voarara dia ahitana ny kely sy ny betsaka, Satria ny fialana amin'ny kely sy ny betsaka ihany no azo ialana. Ohatra: Noraràny tsy hanao zana_bola isika, izay ahitana ny kely sy ny betsaka.
Ny fandaozana ireo antony no mitondra any amin’ny fady, Satria tafiditra anisan’ny dikan’ny fanalavirana izany.
Rehefa mandre baiko avy amin'ny Irakan'i Tompo Allah ny Olona iray dia tsy tokony hanontany hoe : Tsy maintsy atao ve izany sa tsaratsara atao ? Fa kosa tokony hataony haingana izany, satria hoy Izy : “ Ataovy izay vitanareo atao.”
Ny fametraham-panontaniana be loatra dia lasa miteraka fahapotehana, indrindra amin’ny raharaha tsy azo tratrarina, toy ny raharaha tsy hita maso sy ny toetry ny andro fitsarana. Aza mametra-panontaniana be loatra momba azy ireo, fandrao ho faty Ianao ka ho mpandinika.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

