“Hisy fakam-panahy, ary izay mipetraka ao aminy dia ho tsara kokoa noho izay mandeha ao, ary izay mandeha ao dia tsara kokoa noho izay mihazakazaka manatona azy,
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Othman Al-Shaham niteny : Nankany amin'i Moslim bin Abi Bakra izaho sy Farqad Al-Sabkhi raha teo amin'ny taniny izy, ka niditra tao aminy izahay ary niteny hoe : Nandre ny rainao niresaka momba ny fakam-panahy ve ianao? Dia hoy izy namaly : Eny, nandre an'i Abo Bakra (R.A) aho niteny hoe : Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Hisy fakam-panahy, ary izay mipetraka ao aminy dia ho tsara kokoa noho izay mandeha ao, ary izay mandeha ao dia tsara kokoa noho izay mihazakazaka manatona azy, Ka raha midina na tonga izany “Koa izay manana rameva dia aoka hifikitra amin’ny ramevany, ary izay manana ondry dia aoka hifikitra amin’ny ondriny, ary izay manana tany dia aoka izy hifikitra amin’ny taniny". Niteny : Hoy lehilahy iray : Ry Irak'Allah, ahoana raha misy olona tsy manana rameva na ondry na tany? dia namaly izy hoe : “Mitondra ny sabany izy ka mamely ny lelany amin’ny vato, ary manavo-tena raha afaka manao izany, Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Niteny izy : Dia hoy ny lehilahy iray : Ry irak’Allah ô, ahoana ny hevitrao raha voatery entina any amin’iray amin’ireo andian'olona roa aho, na any amin’ny iray amin’ireo vondrona roa? ka novelesiny tamin'ny sabany aho, na hisy balapilesy tonga hamono ahy? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Izy no hitondra ny fahotany sy ny fahotanao, ary ho anisan’ny mponin’ny helo izy.”
Explanation
Benefits
Hoy i Al-Nawawi : Ny fitenenan'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Izay mipetraka ao dia tsara noho izay mijoro” sns..., dia midika ho manazava ny loza lehibe aterak’izany, mandrisika ny olona iray hiala amin’izany ary handositra izany, ary ny faharatsiana sy ny fakam-panahy dia mifototra amin’ny firaiketam-pon’ny tsirairay aminy.
Hoy i Al-Nawawi : "Esorina amin'izay voatery manatrika any ny ota, fa ny vono olona dia tsy azo atao an-keriny, fa izay terena dia meloka amin'izay asaina manao izany, araka ny marimaritra iraisana.
Hoy I Ibn Hajar : Hoy ny sasany : Raha misy antokon'olona mikomy amin'ny Imam ka tsy manao izay tsy maintsy atao aminy ka raikitra ny ady, dia tsy maintsy atao ny miady aminy, tahak'izany raha misy antokon'olona roa miady, dia tsy maintsy samy manakana an-kery ny tànan'ny mpanao ratsy ary manohana ny mpanao tsara, Izany no hevitriny maro an'isa, ary ny hafa dia tsy niombon-kevitra ary nilaza hoe : Ny ady rehetra misy eo amin'ny antokon'olona roa, izay tsy misy imam ho an'ny vondrona, dia voarara ny ady, ary ny hadith ato amin'ity toko ity sy ireo toko hafa dia nambara momba izany.
Hoy i Al-Nawawi : Tsy nitovy hevitra ny manam-pahaizana momba ny ady amin'ny fikomiana, ary nisy vondrona iray nilaza hoe : Tsy tokony hiady amin'ny fikomiana ny silamo izy, ary raha miditra ao an-tranony izy ireo ka mangataka ny hamono azy, dia tsy azony atao ny miaro tena; Satria mandika teny ilay mitady, ary izany no fotom_pampianaran’i Abo Bakra (R.A) sy ny hafa, hoy I Ibn Omar sy Imran bin Al-Hosayn (R.A) sy ny hafa : Tsy miditra izy ao anatin'izany, fa raha mikasa ny hiaro tena izy, ireo foto-pampianarana roa ireo dia mifanaraka amin'ny fijanonana tsy hiditra amin'ny korontana rehetra amin'ny finoana Silamo. Ny ankamaroan'ny mpanara_dia sy ny mpandimby ary ny manam-pahaizana ankapoben'ny finoana Silamo dia nilaza hoe : "Ilaina ny manohana ny marina amin'ny korontana, ary ny miady aminy amin'ireo mpandika lalàna, araka ny nolazain'I Allah Tsitoha : {Koa miadia amin'ireo izay mandika izany mandra-pahatongan'izy ireo manaiky ny didin'I Allah...} Ny andininy, ary izany no fomba fijery marina, ary ny hadith dia adika amin'ireo izay toa tsy marina na amin'ny sekta roa mampahory, izay tsy misy fandikana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

