Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy."
Explanation
Ny voalohany : fanomezana izay mitohy sy maharitra ny valisoany, tsy misy fahatapahana, toy ny fanolorana masina, ny fananganana moske, ny fihadiana lavadrano, sns.
Ny faharoa : Fahalalana mahasoa ny olona, toy ny fanangonana bokim-pahalalana, na fampianarana ny olona iray, ary avy eo dia mampiely izany fahalalana izany ilay olona aorian’ny fahafatesany.
Fahatelo : Ny zaza mpino mendrika mivavaka ho an’ny ray aman-dreniny.
Benefits
Ireo telo ireo dia voalaza manokana ao amin'ity Hadith ity : Satria izy ireo no fototry ny fahatsarana, ary ny ankamaroan'izay kasain'ny olona mpanao soa ny fametrahana azy ao aorian'ny fahafatesany.
Ny fahalalana mahasoa rehetra dia hahazoana valisoa avokoa, fa lohalaharana amin'izany sy mitari-dàlana azy dia ny fahalalana ara-pinoana sy ny siansa manohana azy.
Ny fahalalana no mahasoa indrindra amin’ireo telo ireo; Satria ny fahalalana dia mahasoa ny olona izay mianatra azy, ao amin'ny fahalalana no miaro ny finoana, ao aminy misy fahasoavana ho an'ny olona amin'ny ankapobeny, ary feno kokoa izany satria mianatra avy tamin'ny fahalalanao ny olona teo amin'ny fahavelomanao sy aorian'ny fahafatesanao.
Famporisihana hitaiza tsara ny zaza; Izy ireo no mitondra soa ho an’ny ray aman-dreniny any ankoatra, ary anisan’ny fahasoavana azo aminy noho izy manao fangatahana ho azy ireo.
Mamporisika ny fanaovan-tsoa amin'ny ray aman-dreny aorian'ny fahafatesany, izay endrika fanajana izay dia mahasoa ny zaza ihany koa.
Mahasoa ny maty ny hataka atao aminy, na dia tsy ny zanany aza no nanao izany, saingy notsiahivina manokana ny zanaka satria araka ny mahazatra dia izy no manohy ny hataka ho an’ilay olona mandra-pahafatiny.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

