fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.A), Niteny hoe : Nitaingina tao aorian'ny Mpaminany (S.A.W) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, dia Niteny Tamiko Izy ny hoe : " O ! Ry Moua'zh, fantatrao va inona ny Zon'i Allah amin'ireo mpanompony, ary inona ihany koa ny Zon'ireo mpanompony amin'i Allah ? " ka Namaly Aho : Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala izany, ary Niteny Izy ka nanao hoe : fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza ", ka hoy Aho manao hoe : O ! Ry Iraka'Allah moa va tsy holazaiko amin'ny olona rehetra izany? Dia namaly izy (S.A.W) ka nanao hoe : "Aza ambara fa manjary miankin-doha amin'izany avokoa izy ireo ".
Explanation
Benefits
Fanazavana sy famelabelarana ny Zon'ireo mpanompo eo amin'i Allah izay efa nandidiany ny Tenany noho ny fahasoavana sy ny famindram-po misy avy Aminy, ka izany dia ny fampidirana azy ireo ao amin'ny Paradisa, ary ny tsy hanasaziany azy ireo.
Amin'ny izany dia misy vaovao mahafaly sy mafinaritra ho an'izay manokana Azy, amin'ny fahatokanany ka izay olona tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa dia ny fiafaran' izy ireo dia lasa amin'ny fidirana ao amin'ny Paradisa.
Niresaka izany petra-bolana izany i Mouaz (R.A) talohan'ny nahafatesany; satria natahotra ny amin'ny fahotana Izy noho ny eo amin'ny fanafenana ny fahalalana.
Ny fampitandremana fatratra ny amin'ny tsy fanaparitahana ny ampahany amin'ireny petra-bolan'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Olona sasany noho ny tahotra amin'ny tsy fahazahoany ny dikany, ka izany dia tsy tafiditra amin'ny asa na koa tsy misy fetra izay niferan'ny lalàna.
Ireo mpanota sy mpanao fahadisoana nefa mbola mpanokana an'i Allah dia izy ireny dia mijanona ho eo ambany fahefan'ny Tompo Allah hatrany, raha Sitrany dia mety ho saziny ary raha Sitrany ihany koa dia mety havelany izy ireny, dia avy eo ny fiafaran'izy ireo dia mety lasa miafara amin'ny fidirana mankany amin'ny Paradisa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

