HadeethEnc · 1.21.0
“Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny Paradisa, ary ny hanitry ny paradisa dia heno hatrany amin’ny halavirana dia efa-polo taona.”
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny Paradisa, ary ny hanitry ny paradisa dia heno hatrany amin’ny halavirana dia efa-polo taona.”
02
Explanation
Nambaran’ny Mpaminany mazava tsara ny fandrahonana henjana ho an'izay mamono mpanao fanekena - izany dia iray amin’ireo tsy mpino izay miditra amin’ny tanin’ny silamo miaraka amin’ny fifanekena sy filaminana – dia tsy haheno hanitry ny Paradisa izy, ary ny hanitr'izany dia heno hatrany amin'ny làlana dia tongotra efa-polo taona.
03
Benefits
Voarara ny mamono mpanao fanekena, mpialokaloka, narovana avy amin'ireo tsy mpino, ary dia tena anisan'ireo fahotana lehibe izany.
Ilay nanaovana fifanekena : Izy ilay tsy mpino silamo nanaovana fifanekena sy monina ao amin’ny taniny, tsy hiady amin’ny mpino silamo no sady tsy hiadian'izy ireo ihany koa. Ny "Dhimmi" (mpialokaloka): Izy no monina ao amin'ny tanànan'ny mpino silamo ary mandoa hetra aminy. Ilay narovana kosa: dia ireo niditra ny tanin'ny mpino silamo niaraka tamin'ny fanekena sy fiarovana mandritra ny fotoana voafaritra.
Fampitandremana amin'ny famadihana fanekena amin'ny olona tsy mpino silamo.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares