Izay namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny fa Izaho kosa tsy hiteny hoe : {Alif, Lam, Mim} ho litera iray, fa ny {Alif} dia litera ary ny {Lam} dia litera ary ny {Mim} dia litera ihany koa".
Explanation
Avy eo dia nanazava i Mpaminany (S.A.W) amin'ny teniny manao hoe : (Tsy hiteny aho hoe : {Alif, Lam, Mim} litera iray, fa ny {Alif} dia raisina ho litera iray ary ny {Lam} ihany koa dia litera iray ary ny {Mim} dia litera iray : Ka ny litera telo dia hahazoana valisoa telopolo.
Benefits
Ho an'ny mpamaky tsirariay dia hahazo valisoa maro ary hohampitombona folo izany isaky ny andininy vakiany.
Ny haben’ny famindram-po sy ny fahalalahan-tànan’Allah, satria nampitomboiny ny valisoa ho an’ny mpanompony noho ny fahasoavany sy ny fahalalahan-tànany.
Ny fahamboniana ny CORAN noho ny teny hafa, ary entina manompo an'Allah ny famakiana azy; Izany dia satria tenin’Allah Tsitoha izy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

