HadeethEnc · 1.21.0
Omeo ireo izay rehetra manan-jo fa tokony hahazo ny anjara tsy maintsy atao ny fanomezana azy ny tsirairay, fa ny izay sisa amin'izany kosa dia ho an'ireo havana akaiky indrindra
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Ibno Abbasi (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Omeo ireo izay rehetra manan-jo fa tokony hahazo ny anjara tsy maintsy atao ny fanomezana azy ny tsirairay, fa ny izay sisa amin'izany kosa dia ho an'ireo havana akaiky indrindra."
02
Explanation
Ny Mpaminany (saw) dia mandidy ireo tompon'andraikitra amin'ny fizarana ny fananana mba hizara izany amin'ireo mpandova amin'ny fomba ara-drariny sy ara-dalàna, araka ny sitrapon'i Tompo Allah Ilay Avo Tsitoha. Ireo mpandova izay manana anjara raikitra dia omena Azy ny anjarany araka ny voalaza ao amin'ny Boky masina ny Tompo Allah, izay roa ampaha-telony, ampahatelony ampahenin'ny, antsasany, ampahefany ary ampaha-valony.
fa izay sisa tavela aorian'izany kosa dia omena ny havana akaiky indrindra an'ilay maty, ary izy ireo dia antsoina hoe Al-an-swabia.
fa izay sisa tavela aorian'izany kosa dia omena ny havana akaiky indrindra an'ilay maty, ary izy ireo dia antsoina hoe Al-an-swabia.
03
Benefits
Fitsipika mamehy ny mombamomba ny fizarana lova ity Hadithe ity.
Ny fizarana ny anjara lova dia manomboka amin'ireo rehetra hita fa manan-jo amin'ilay lova ka izay ihany no hahazo ny anjara lova.
Fa izay rehetra sisa tavela rehefa avy nozaraina ny petra-bola dia lasa sy omena an'ireo havana akaiky avokoa.
Ny havana akaiky indrindra no lohalaharana amin'ny fifandovana, ka ny havana lavitra toy ny dadatoa ka dia lasa tsy mandova raha toa ka misy An-ssubo akaiky toy ny Ray izany .
Raha lany tanteraka amin’ny anjara voatendry ny lova ka tsy misy sisa tavela, dia tsy mahazo na inona na inona intsony ny havana antsoina hoe ‘asaba (mpandova ambiny).

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares