“Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny : Isaky ny tonga mamangy ny marary i Mpaminany dia manao Doan ho azy manao hoe : “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina".
Explanation
Benefits
Anisan’ny zo eo amin’ny samy mpino silamo ny mitsidika ny marary, ary mendrika kokoa ho an’ny fianakaviana izany.
Mamporisika ireo izay mamangy ny marary hivavaka ho azy amin’io fitalahoana izay feno tso-drano sy malaza izao.
Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W), ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny rokyah ara-dalàna amin'ny fampiasana ny kor'any sy ny Doan tsara, ary nanao rokyah koa izy ho an’ireo izay nitaraina tamin’ny fianakaviany sy ny hafa.
Hoy I Ibn Hajar : Ny Doan mba hanasitrana ny marary dia lasa olana amin'ny fanafoanana ny ota sy ny valisoa ho an'ny aretina, satria ny hadith dia mitambatra amin'izany, ny valiny : ny Doan dia fanompoana, ary tsy mifanohitra amin'ny valisoa famafana fahotana. Satria azo amin'ny aretina voalohany sy amin'ny faharetana izany, ary eo anelanelan'ny asa soa roa ilay mivavaka : na mahatratra ny tanjony izy, na manonitra izany amin'ny alàlan'ny fanomezana tombontsoa na manala ny loza, ary samy avy amin'ny fahasoavan’I Allah Tsitoha.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

