HadeethEnc · 1.21.0
“Izay nanao "Ouzo" ka nanao izany tsara, dia tonga namonjy vavaka Zoma ary nihaino sy nangina, dia ho voavela ny helony manoloana azy sy zoma ary telo andro fanampiny
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Izay nanao "Ouzo" ka nanao izany tsara, dia tonga namonjy vavaka Zoma ary nihaino sy nangina, dia ho voavela ny helony manoloana azy sy zoma ary telo andro fanampiny , ary izay mikasika ny vatokely dia nanafoana izany”.
02
Explanation
Milaza ny Mpaminany (S.A.W), fa izay midio sy manao izany tsara amin'ny fanatanterahana ny andriny sy ny Sonnah ary ny fombafomba tsara eo aminy, avy eo tonga amin'ny vavaka zoma ary mangina sy mihaino ny mpitoriteny ary mangina tsy miresaka; dia avelan'I Allah ny helony madinika mandritra ny folo andro, manomboka amin’ny vavaka zoma ka hatramin’ny zoma faharoa sy ny telo andro fanampiny; Satria ny asa soa dia ampitomboina avo folo heny. Avy eo nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny tsy fiatrehan'ny fo ao amin'ny toriteny fananarana izay resahina, ary amin'ny tsy firaharahian'ny rantsam-batana amin'ny alàlan'ny fandraisana vatokely sy ny karazana lalao sy tsy fifantohana hafa, fa izay manao izany dia nanao tsirambina, ary izay manao tsirambina dia tsy mahazo anjara tanteraka amin’ny valisoa amin’ny soalat zoma.
03
Benefits
Famporisina amin'ny fanaovana ozo sy ny famitana izany amin’ny fomba tsara, ary ny fifikirana amin'ny vavaka zoma.
Ny maha zava-dehibe ny vavaka zoma.
Takina ny fihainona tanteraka ny toriten'ny zoma, ary tsy tokony ho variana amin'ny resaka na zavatra hafa.
Raha misy manao tsirambina mandritry ny toriteny dia manankery ny vavaka zoma nataony ary manafoana ny vavaka tsy maintsy atao, miaraka amin'ny fihenan'ny valisoa.
Ny maha zava-dehibe ny vavaka zoma.
Takina ny fihainona tanteraka ny toriten'ny zoma, ary tsy tokony ho variana amin'ny resaka na zavatra hafa.
Raha misy manao tsirambina mandritry ny toriteny dia manankery ny vavaka zoma nataony ary manafoana ny vavaka tsy maintsy atao, miaraka amin'ny fihenan'ny valisoa.
Attribution
[Notantaraiin'i Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

