“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Aisha (R.A), Renin'ny mpino, Niteny i Mpaminany (S.A.W) nandritra ny aretiny izay tsy nahafahany nitsangana : “Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.
Explanation
Benefits
Ny fandrarana mivantana sy fandrarana mafy ny fakana fasana ho moske sy ny fikasana hivavaka any ankoatra ny vavaka fandevenana. Izany dia fanomezam-boninahitra ho an'ny maty, fihodikodinana ny fasany, hikasika ny zorony, ary hiantsoana ny anarany, ary izany rehetra izany dia fanompoan-tsampy sy ny fombafombany.
Ny fahalianan'ilay Irak'Allah sy ny fiahiany mafy amin'ny fanokanana an'I Allah, ary ny tahotrany amin'ny fanomezam-boninahitra ny fasana; Satria mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy izany.
Allah dia niaro ny Mpaminaniny (S.A.W) mba tsy hanaovana ny fivavahan-diso teo akaikin'ny fasany, ka nanome aingam-panahy ny mpanara_diany sy ireo nanaraka azy mba hiaro ny fasany tsy hisongadina.
Fanarahan'ireo mpanaradia ny didin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fifikiran'izy ireo amin'ny fanokanana an'I Allah.
Voarara ny manahaka ny Jiosy sy ny Kristianina, ary anisan’ny fanaon'izy ireo ny mampiakatra avo ny fasana.
Tsy azo atao ny mivavaka eo amin'ny fasana, na dia tsy nisy moske aza eo aminy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

