“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abu Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany» Hoy izy ireo hoe : ka ahoana raha misy amin'io rahalahiko io ilay zavatra nolazaiko. Namaly Izy (S.A.W) hoe : “Raha misy aminy tokoa izay nolazainao, dia efa nifosa azy ianao, fa raha tsy misy aminy kosa izany, dia efa nanendrikendrika azy ianao”.
Explanation
Fa raha tsy ao aminy ilay toetra, dia ratsy kokoa noho ny fifosana izany, dia ny fanendrikendrena, izany hoe : manendrikendrika olona amin'ny zavatra tsy misy aminy.
Benefits
Fananan'ireo mpanaradia ny fitondran-tena tsara manoloana an'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niteny hoe : Allah sy ny Irany ihany no tena mahalala.
Valitenin'ireo nanontaniana rehefa tsy mahafantatra dia ny hoe : Allah no tena mahalala.
Fiarovana ny lalàna Islamika ho an'ny fiarahamonina amin'ny alàlan'ny fiarovana ny Zo sy ny firahalahiana eo amin'izy ireo.
Voarara ny fifosana afa-tsy amin’ny toe-javatra sasany noho ny tombotsoa manokana. Tafiditra ao anatin’izany : fanakanana ny tsy rariny, ka ny voambaka no mitantara momba ilay nanambaka azy amin'ny olona mahavita manampy azy haka ny zony, ka miteny izy hoe : Nanambaka ahy ranona, na nanao an’izao sy izao tamiko, ary anisan’izany koa : Fifampidinihana mikasika ny fanambadiana, fifampizarana, na ny manodidina, sy ny sisa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

