“Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazra Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".
Explanation
Ny voalohany : Ahoana no nandaniany ny fiainany?
Ny faharoa : Ny fahalalany, moave notadiaviny noho ny Allah? Niasa tamin’izany ve izy? Nampita izany tamin’ny olona mendrika azy ve izy?
Ny fahatelo : Taiza no nahazoany ny volany, Halal sa Haram? Ary inona no nandaniany an’izany, tamin’ny zavatra ankasitrahan’i Allah sa amin’ny zavatra mahatezitra Azy?
Ny fahefatra : Ny vatany, ny heriny, ny fahasalamana ary ny fahatanorany, Ahoana no nanapotehany sy nampiasainy izany?
Benefits
Betsaka ny fahasoavan’i Allah eo amin’ny mpanompony, ary hanontany Azy Allah ny amin’ireo fahasoavana nisy taminy, ka aoka izy hametraka ireo fahasoavana nomen'I Allah azy ho amin'ny ankasitrahany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

